1 Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.
2 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
3 Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.
4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.