1 Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
2 Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason'ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
3 Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny taranak'i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
4 Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.
5 Mankalazà an'i Jehovah amin'ny lokanga, Dia amin'ny lokanga sy ny feo fihirana,