23 Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an'i Solomona, dia Rezona, zanak'i Eliada, izay efa nandositra an'i Hadadezera tompony, mpanjakan'i Zoba.
24 Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
25 Ary izy koa dia fahavalon'ny Isiraely tamin'ny andron'i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon'i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
26 Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka.
27 Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka: Solomona nanorina an'i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan'i Davida rainy;
28 ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan'i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak'i Josefa tamin'ny fanompoany rehetra.
29 Ary tamin'izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.