25 Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin'ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
26 Hianao efa nijangajanga tamin'ny zanak'i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
27 Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin'ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
28 Ary nijangajanga tamin'ny zanak'i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.
29 Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
30 Akory ny fahamaimain'ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin'ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon'ny janga tsivalahara!
31 Tamin'ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao. satria tsy nahoanao akory izay tangy.