2 Dia tahaka ny nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
3 Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin'ny alina.
4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
5 Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
6 Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.
7 Ary dia hiroatra avy ao amin'ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
8 Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.