122 Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
123 Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao.
124 Ataovy amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
125 Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
126 Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.
127 Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
128 Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;