1 Maskila nataon'i Davida tamin'izy tao anaty lavaka. Fivavahana. Ny feoko no itarainako amin'i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin'i Jehovah.
2 Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.
3 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin'ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.
4 Jereo eo an-kavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.