1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
3 Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
5 Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
7 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.