1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
2 Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
3 Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony.
4 Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;
5 Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.