1 Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
2 Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina.
3 Ny feon'i Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be.
4 Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.
5 Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.
6 Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.
7 Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo;