1 Ho an'ny mpiventy hira. Maskila. Nataon'ny Koraita. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
2 Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?
3 Ny ranomasoko no fiahiko andro aman'alina, amin'ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
4 Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
5 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny tavany.