1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny.
2 Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
3 Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
4 Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba.