4 Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
5 Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra - Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
6 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
7 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
8 Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly anao.
9 Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
10 Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;