5 Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.
6 Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina.
7 Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,
8 Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
9 Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
10 Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.
11 Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.