1 Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao.
2 Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?