1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany.
2 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra.
3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.
4 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
5 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
6 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?
7 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.