40 Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
41 Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy izy.
42 Efa nampisandratra ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
43 Efa nampihemotra ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.
44 Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
45 Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
46 Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?