1 Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
6 Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.